chat

Teny fanolorana sy fanokafana

Teny fanolorana sy fanokafana

Teny fanolorana sy fanokafana

zaraina:

Ka izay àry no ela fa: Nomen'i Tompo Allah haja sy voninahitra ary hasina

manokana ireo taranakan'ny Mpaminany Adama (A.s) ary izy ireo no nosafidiny Tompo Allah amin'ireo zava-boary maro samy hafa izay nohariany, ka Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe: {Efa nomenay haja sy voninahitra sahaza azy ireo ny taranakan'ny Adama (A.s)}

34- Azy irery ihany ireo Anarana tsara rehetra sy

ireo avo indrindra izay napetrany ho an'ny Tenany manokana ary napetrakin'ny Mpaminaniny (s.w.a)

ho Azy ihany koa, ka izany rehetra izany dia milaza tanteraka ny fahafenoany sy ny hatsarany rehetra, ka tsy misy mihitsy ny tahaka Azy ary Izy tokoa no tena Maheno sy Mahita.

ilay be Fiantrana: dia Izy Allah no Tompo be indra-fo, ary indra-fony dia midadasika no lehibe mihoatra ny zava-drehetra. ilay Mahefa: izay midika hoe: i Tompo Allah no manana fahefana feno, izay tsy ahitana jaly na

fasahiranana eo Aminy ary tsy ahitana ny tsy fahampiana na fahatokanana ihany koa fa Izy dia

mahaleo-tena ara-mpahefana. ilay Mpanjaka: Izy no voadoka amin'ireo laza sy vonahitra izay maneho ny mpamari-toetra amin'ny lafiny fahalehibeazana sy famoretana ary fandaharana, izany hoe: Izy no Tompon'izao rehetra izao ary mbola Izy ihany koa no Mpikarakara an'izany rehetra izany.

ilay tena Maheno: izay midika fa hoe: Izy Tompo Allah no mahatsapa sy mahatakatra ary mahalala

an'izao rehetra izao na ny miafina izany na ny mibaribary. ilay be Fandriam-pahalemana: izany hoe: fandriampahalemana tena feno ka tsy ahitana lesoka na fahabangana ary tsy ahitana fahoriana na kilema izao rehetra izao.

ilay tena Mahita: ny fahitana izay mahafehy tanteraka ny zavadr-ehetra na vitsy na kely, tena Mahita ny rehetra Izy ary Mahafantatra sy Mahalala ny tsiambara-telo.

ilay Mpandraharaha ny rehetra: izany hoe: Izy Tompo Allah no tompon'andraikitra amin'ny fanomezana sy fizarana ny anjara masoandron'ny zava-boariny rehetra, Izy no Mpanangana ny mahasoa azy ireo,Izy no mpikarakara ireo sakaizany ka hamaivaniny avokoa ny momba azy ireo ary ataony mahampy azy ireo ny momba azy ireo rehetra.

ilay Mpahary: Izy Tompo Allah no Nanao sy nampisy an'izao rehetra izao ary Mpamolavola izay tsy ahitana toy ny teo aloha.

ilay be Tambitamby: izany hoe: Izy Tompo Allah no manome haja sy vonahitra ireo mpanompony ary mandrotsaka ny hinakinany sy manome izay rehetra tadiavin'izy ireo ilay Mahampy: izany hoe: Izy Tompo Allah no Mpanome ny ampy amin'izay rehetra ilain'ireo

Mpanompony, ary izay rehetra omeny dia ampy avokoa ka tsy mitady fanampiana amin'ny ankoatrany intsony, fa Izy irery ihany koa no efa Mahampy. ilay be Famelana: izany hoe: Izy Tompo Allah no

mahavita miaro antsakany sy andavany ireo Mpanompony amin'ny vokadratsy aterakin'ny fahotana ary tsy hanasazy azy ireo ny amin'izany akory Izy.

ary ny Mpino Islam dia mandinika ireo zavaboariny rehetra izay nohariany Tompony izay miseho amin'ny endrika mahagaga ary amin'ny fomba feno fanamaivanana no nanamboarany azy ireo,sy

amin'ny fomba fitantanana izany rehetra izany, ka anisan'izany dia ny fikarakarana ireo zava-boary kely

madinika amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny fitadiavana sy fanomezana ary fampisakafoanana sy

fikarakarana azy ireo mandra-pahalehibeny mba

ahafahan'izy ireo manolokolo tena, ka dera sy

vonahitra ary fisorana feno haja sy fankasitrahana ho an'i Tompo Allah ilay Mpahary, tena Azy tokoa ny Fitambitambezana ary anisany tambitamby avy Aminy dia ny fanamaivanany ireo fomba ahafahan'ny zava-boary mikarakara ny tenany sy man-damina ny momba azy miaraka amin'ny fahafenoan'ny fahalemeny.

Ny Mpaminaniko Mohammadi (s.w.a) - Mohammadi (s.w.a) dia Hinakinaka sy Famindram-po ary Fanomezana.

Izy dia Mohammadi zanak'i Abdallah (s.w.a) izay

namarana ireo Iraka sy Mpaminany retra izay tonga

nandalo teo aloha,nalefan'i Tompo Allah Izy hitondra ny

finoana Islam ho an'Olombelona rehetra tsy ankanavaka, sy hitari-dàlana azy ireo amin'ny tsara rehetra ary ny tena lehibe amin'izany dia ny fanokanana an'i Tompo Allah fa Izy irery tokoa no

tokana mendrika ho Tompoina amin'ny lafiny rehetra, ary nandrara azy ireo amin'ny fanaovana ny haratsiana rehetra ka ny haratsiana goavana amin'izany dia ny " Shiriky " fanakambanana i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa

Ny hafatrany sy hafatrin'ireo Mpaminany rehetra teo alohany dia ny fitaritana ny rehetra amin'nyfanompoana manokana an'i Tompo Allah tokana tsy manampaharoa tsy misy mpikambana Aminy.